Ny Tempoly Antananarivo Madagasikara dia haorina eo amin’ny toerana mirefy 397Ara ao amin’ny Fokontany Andranoro, Ambohibao, Antehiroka, Andranomena, Madagasikara. Ny maritrano dia maneho tempoly tsy misy rihana eo amin’ny 929m² eo, izay ahitana trano fandraisana ny mpitsidika sy trano fiomanana sy fiandrasana.
Nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2021 io tempoly io.
“Ny zavatra rehetra ampianarina any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fampianarana sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy,” hoy izy nandritra io fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany io.
Ny Repoblikan’i Madagasikara dia firenena misaraka amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Afrika ary izy no nosy faha-efatra lehibe indrindra eran-tany. Io tempoly io no ho voalohany ao Madagasikara, izay fonenan’ny Olomasin’ny Andro Farany mihoatra ny 15.000 ao anatina rantsana miisa 40 mahery.
Nanomboka tamin’ny fomba ôfisialy ny taona 1998 ny fitoriana tao an-toerana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary niforona tamin’izany ny Misiôna Madagasikara Antananarivo. Tamin’ny septambra 2000 no naorina ny Tsatòka Antananarivo Madagasikara.